Ny Renivola, ny Zanabola, ny Famerimbola


Ny heloka ibabohana, hono, mody rariny. Indray mandeha manta vary, hono, tsy handevin-tsotrobe. Raha lasa, hono, ny mamba dia misosoka ny voay. Fa raha voaray ny fibebahana, toa tsy nasian-teny loatra kosa ny heloka niavian’ny fanafintohinana ? Ra-Malagasy mantsy maro ririnin-dasa tsy tsaroany. Adinony sahady ny nitranga tamin’ny 2009 sy ny fe-potoana nisian’ny Tetezamita. Ilay nolazaina hoe «Tolona sy Demokrasia» dia fanonganam-panjakana fotsiny ihany. Ny demokrasia nampanantenaina ireo «vahoaka», fanaon’ny mpanao politika kilalao sy fitaovana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey (na tamin’ny 1972, na tamin’ny 1991, na tamin’ny 2002, na tamin’ny 2009), niafara tamin’ny famoromporonana ny FIS. Isan’ny laharam-pahamehana nahatafaverina an’i Madagasikara anivon’ny fiakaviamben’izao tontolo izao moa ny nanafoanana avy hatrany ireny polisim-panamborana ireny, vao tapitra ny Tetezamita. Isika samy mahalala, fa izy tompony no andrasana hitanisa ireny heloka ireny : miaramila tsotra, mba tsy ilazana hoe vatantainy, nanompa sy nanevateva Jeneraly ; manam-boninahitra (voninahitra inona sy ahoana ?) nandray tamin’ny vozon’akanjony ny Lehiben’ny Fiangonana FJKM ; Radiom-pirenena nodorana ka, ankoatra ny fitaovana, fongana, may kila ny horonam-peo izay lafin-tantara ; trano fivarotana maro tao Ankorondrano sy teny Ankadimbahoaka norobana ; ny Radio MBS teny Andohatapenaka nodorana ; olona ampolony notaomina hanitsaka «zone rouge», nosangiana ratsy hanani-dapa, nentina natao sorona, tetsy Ambohitsorohitra ; halatra harem-pirenena tsy toko tsy forohana, tamin’ny fanondranana antsokosoko andramena sy volamena... Misy faharavana tsy voatamby vola amin-karena tena vokatr’ireny fihetsika tamin’ny 2009 ireny : ny fahalovana ara-panahy, ny fahasimban’ny toe-tsaina, ny fiheverana ara-bakiteny fa tsy maty na manota aza. Dia samy nanao izay danin’ny kibony. Tantely afa-drakotra avokoa na ny ala, na ny fadin-tseranana, ka izay nanaja-tena indray no nanenina. Loza mihantona ho an’ny fiaraha-monina malagasy izany toe-tsaina latsaka an-kady izany. Ny heloka ratsy indrindra vitan’ny mpanao politika dia ny mampandrorona ny toe-tsain’ny firenena iray. Taranaka firifiry aty aoriana indray mantsy vao mety ho tafarina izany. Roanjato taona isika nitanisa hatrany ny anaran’Andrianampoinimerina, izay niamboho ny taona 1810. Misy antony izany : Fahendrena no tsangambaton’ny Fanjakany. Raha misy fibebahana, nisy heloka natao, nisy olona meloka. Iza avy koa ireo mpiray tsikombakomba ? Aiza ireo mpanararaotra efa ampolotaona maro, mpamosavy malemy mpandrehitr’afo, mpiravaka ny vanginy ary mpanoro vohana ny tompony ? Ireny hoe «tolona», «tolona» ireny, mantsy, rotaka fotsiny izao. Raha io kianjan’ny 13 mey io, tranon-takatra fidiram-borondolo, ka simbain’ny olon-dratsy ny olon-tsy vanona. Ilo mby ankandrin’ny sasany ary tsy rano raraka an-tany ho an’ny rehetra : 1972, 1991, 2002 sy 2009. Dia izao Madagasikara mahantra izao. Dia izao Malagasy mitsanga-menatra sy voatondro molotra izao. Kabary ihany ny fibebahana fa avereno ny volam-bahoaka, aloavy ny trosam-pirenena : renivola, zanabola, famerimbola. Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja  
Plus récente Plus ancienne