Tsara «Lavenona» ny maty !


Voninahitry ny maty, maro mpandevina ; voninahitry ny velona, maro mpanotrona. Mety tsy maintsy ho asiam-panovana kely io fiteny amin’ny kabarim-pandevenana io, indray andro any, satria dia efa tafiditra tsikelikely amin’ny fandorana razana ny eto Madagasikara : Antananarivo aloha no tena tsikaritra. Mbola tsy mahazatra ny olona ilay hoe dorana fa tsy alevina. Fanontaniana takoritsika teny Andohalo omaly izany tamin’ny famoaham-paty an’i Tsilavina Ralaindimby. Gagagaga ny olona, sadaikatra be ihany ny hafa, te hanontany hoe «Fa maninona» ny sasany. Tsilavina Ralaindimby tokoa no toa olona tena malaza voalohany natao toy izany teto amintsika. Saingy efa fanaon’ny olona na fianakaviana sasantsasany ny fandorana razana. Raha ny tenako manokana, dia efa tamin’ny Mamalan-kira iray izay aho no nanafatra : «Raha ho avy, Rankizy, ny taona hodiako» (08.11.2017) : «Ny ahy, ny zanako, efa nafarako : rehefa lasana rainareo dia dory sao misy mangalatra ao am-pasana ao ny taolambaloko ka sady ho alahelo no haterezana ary raharaha ho anareo. Maro olon-tsy vanona ny fiaraha-monina ankehitriny, indrisy anefa, nofoanana antsokosoko ny fanamelohana ho faty. Ny raiko sy ranjoky efa lasan-ko vovoka, tsy misy ahiana intsony hisavika ny fotaka aminy. Ny fandriana vato sivy ao am-pasana koa efa hipoka : taranaka firifiry, zahao sy tetezo ara-bakiteny amin’ny tetiarana navelako ho anareo. Tandremo, fa izaho nankahala vangongongongo fahaveloko, aza ampifampikasohana rehefa maty. Dory, dia ataovy izay tianareo hanaovana ny lavenona fa mibahan-toerana loatra ny fasana. Jereo ny tanindrazantsika, zary tokontanim-pasana sisa : izay ho anjaran’ny velona, mitombo isa moramora na dia mahalana miteraka aza noho ny fanabeazana, zara raha mbola misy ijoroan’ny tsirairay». Levina raha asitrika ambany tany. Lavenona kosa sisa rehefa levona nandalovan’ny afo. Tsy misy fikarakarana be tahaka ny fanomanana ny razana ho aterina am-pasana : tsy mila lambamena maro fa iray tokana atafy dia mety. Tsy mila mandeha lavitra any ambanivohitra satria, raha mbola ny etsy amin’ny Fasan’ny Karana Hindoa aloha no faleha, efa misy olona hafa mihevitra hanangana orinasa hikarakara ny havana nisafidy ho dorana. Tsy mahagaga raha ny mponin’Antananarivo, sahiran-dava, maika lava, leo «embouteillages», no voasarika satria, lainga lainga, fa mandany andro ity adidy lavareny etsy sy eroa ety : efa fotoana ny filaharana hamangy ; mbola fotoana no afoy amin’ny fotoam-pivavahana any am-piangonana ; fotoana hatrany ny mandroso sy miverina, miala ny Renivohitra «hanatitra maloto» any an-tanindrazana. «Mba hafa indray no hihaonana», hoy ny fifampirariana rehefa samy hody any an-tokantranony avy. Fantatra sahady anefa fa zara aza misy ireny fahoriana tsy anisana fanasana ireny («Manasa olona roa avy aminareo») mbola ahafahan’ny Tandrenivohitra mifampiarahaba sy mifanontany vaovao. Matoa mantsy mifanatri-tava eo, mbola mba samy velon’aina aloha. Tamin’ireny firedaredan’ny areti-mifindra ireny no nahatsapana tokoa fa milalao maloto sy misangy loza isika amin’ny fiandrasam-paty andro maromaro («Mbola misy andrasana angamba») sy amin’ny fomban’ny olona sasany manao famadihana. Rehefa lasa lavenona, tsy misy ho avadika intsony. Ary mamay aza ny afo, fandio tsy manam-paharoa ihany koa izy. Maro ny fomba fandaozana ny havana nodimandry. Ao amin’ny bokin’i Mompera Dubois (Monographie des Betsileo, tak.698), ohatra, misy fitantarana ny fanafenana an-dRajoakarivony, Mpanjakan’Isandra, tamin’ny taona 1892. Taona tokoa satria, ny 3 aprily 1892 izy no niamboho, 17 desambra vao nafenina tanaty lavabato noloahana tamin’ny harambato ao Vohitsisaky. Fomba nolovaina avy any Kalimantan izany. Mbola avy any Azia Atsimo-Atsinanana ihany ny fomba tranainy mamily ny renirano na manodina ny ony mandra-panafina ny razan’ny Mpanjaka efa napetraka anaty lakana mifanarona. Toy izany hono tetsy Imerimanjaka fahizany. Manahirana antsika mihitsy ity taolambalo ity. Mararirary ery raha hoe «very faty» ka na handoavana volabe ary dia ampodiana «naman’ny entana» anaty «soutes» avy any Andafy. Ankehitriny anefa, manao tohy vakana ny vaky fasana sy halatra taolam-paty : ny lavenona, tsy misy mpangalatra, no tena laro azo antoka fa tsy hiala an-tanindrazana raha afafy any. Indray andro any, ho’aho, ho zary fomba fanao io dia izahay izao, namaky lay, no razan’ilay fomban-drazana vaovao. Par Nasolo-Valiavo Andriamihaja  
Plus récente Plus ancienne